Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 71 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny Mpanompo izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany, izay hiverenany sy hahazoany valisoa amin'ny asany, dia ampirisihin'ny finoany mba hanao ireo toetra ireo : Ny voalohany dia : Ny Teny tsara: avy amin’ny fiderana sy fanokanana an’i Tompo Allah, ny fibaikoana ny tsara, ny fandrarana ny tsy mety, ary ny fampihavanana ny Olona raha tsy manao izany Izy, dia tokony hangina, tsy hanisy ratsy Azy, ary hiaro ny lelany mba tsy hanao ireo zava-mamoampady. Faha-roa : Ny Fanajana ny mpiara-belona: amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy Aminy fa tsy manisy ratsy Azy. Faha-telo : Ny Manaja ny vahiny tonga mamangy Anao: amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanomezana sakafo, sy ny toy izany.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality