Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny tantaram-iainana sy ny tantara

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny hoe :

Available in 49 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny hoe : Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra, ary toy izany koa ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba namaly faty ny tenany raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan’I Allah, ka amin’izay dia mamaly faty an’I Allah izy.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Ny Renin'ny mpino, Aisha (R.A) dia nitantara ny sasany amin'ireo fitondran-tenan'ny Mpaminany (S.A.W), ary anisan'ny zavatra nolazainy : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy nomena safidy teo amin’ny raharaha roa afa-tsy ny mora kokoa tamin’ireo roa ireo no nalainy raha mbola tsy fahotana ilay moramora, fa raha tsy izany dia izy no nanalavitra ny olona ary nifidy izay henjana kokoa. Ary tsy namaly faty ho an'ny tenany manokana i Mpaminany (S.A.W), fa namela sy nandefitra amin'ny zony, raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan'I Allah, amin'izay dia hamaly faty an'I Allah izy, ary izy no olona tezitra indrindra noho Allah.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality