Hadith for the World
Topic

Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

288 hadiths

288 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy. Ny mpino silamo dia rahalahin'ny mpino silamo namany; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'I Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo. Ny rehetra mikasika ny mpino silamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino silamo kasikasihina : ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.A.W) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : " Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva ".Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany. Izay manamora raharaha amin'ny olona sahirana, dia hamorain' I Allah ny raharahany eto an-tany sy any ankoatra. Izay manafina ny henatry ny mpino silamo iray, dia hafenin' I Allah ny henatrany, eto an-tany sy any ankoatra. Allah dia manampy hatrany ny mpanompo raha manampy ny rahalahiny izy. Izay mizotra amin'ny làlan'ny fianarana mba hikatsaka fahalalana dia hamorain'i I Allah ho azy ny làlana mitondra any amin'ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory ao anatin'ny trano iray amin'ireo tranon' I Allah, mamaky ny Bokin' I Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra azy ireo ny indrafo, manodidina azy ireo ny Anjely, ary miresaka azy ireo Allah, amin'ireo (Anjely) any Aminy. Izay latsaka afara noho ny asany, dia tsy aroso aloha noho ny firazanany.Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول: «وَاللهِ إني لأَسْتَغْفِرُ اللهَ وأَتُوبُ إليهِ في اليومِ أَكْثَرَ من سَبْعِينَ مَرَّةً».رواه البخاري
Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA) Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي أمامة رضي الله عنه أن النبي صلى الله عليه وسلم كَانَ إذا رَفَعَ مَائِدَتَهُ، قال: «الحَمْدُ للهِ حَمْدًا كَثِيرًا طَيِّبًا مُبَارَكًا فِيهِ، غَيْرَ مَكْفِيٍّ، وَلَا مُوَدَّعٍ، وَلَا مُسْتَغْنًى عَنْهُ رَبَّنَا».رواه البخاري
عن أبي هريرة رضي الله عنه أن النبي صلى الله عليه وسلم قال: «لا يُلْدَغُ المؤمنُ من جُحْرٍ واحد مرتين».متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana".Notantaraiin'i Moslim
عن أنس رضي الله عنه قَالَ: كُنْتُ أمشي مَعَ رسول الله صلى الله عليه وسلم وَعَلَيْهِ بُرْد نَجْرَانيٌّ غَلِيظُ الحَاشِيَةِ، فأدْرَكَهُ أعْرَابِي فَجَبذَهُ بِرِدَائِهِ جَبْذَة شَديدة، فَنَظَرْتُ إِلَى صَفْحَةِ عَاتِقِ النَّبيِّ صلى الله عليه وسلم وَقَدْ أثَّرَتْ بِهَا حَاشِيَة الرِّدَاءِ مِنْ شِدَّةِ جَبْذَتِه، ثُمَّ قَالَ: يَا مُحَمَّدُ، مُر لِي مِنْ مَالِ اللهِ الَّذِي عِنْدَكَ. فَالتَفَتَ إِلَيْهِ، فَضَحِكَ ثُمَّ أَمَرَ لَهُ بِعَطَاءٍ.متفق عليه
عَنْ أَنَسٍ رَضيَ اللهُ عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَوْ كَانَ لِابْنِ آدَمَ وَادِيَانِ مِنْ مَالٍ لَابْتَغَى وَادِيًا ثَالِثًا، وَلَا يَمْلَأُ جَوْفَ ابْنِ آدَمَ إِلَّا التُّرَابُ، وَيَتُوبُ اللهُ عَلَى مَنْ تَابَ».متفق عليه
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: ما عاب رسول الله صلى الله عليه وسلم طعاما قط، إن اشتهاه أكله، وإن كرهه تركه.متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Ny mpaminanin’I Allah (S.A.W) dia niteny tamin’ny fotoan’ny fahasarotana hoe : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah, Ilay Lehibe, Ilay Mahari-po, tsy misy tompo afa-tsy Allah tompon'ilay seza fiandrianana lehibe, tsy misy tompo afa-tsy Allah Tompon’ny lanitra, Tompon’ny tany, Tompon’ny seza fiandrianana ambony”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abu Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.A.W) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.Notantaraiin'i Moslim
عن ابن عمر رضي الله عنهما مرفوعا: «الظلم ظلمات يوم القيامة». عن جابر رضي الله عنهما مرفوعا: «اتقوا الظلم، فإن الظلم ظلمات يوم القيامة، واتقوا الشُّحَ؛ فإنه أَهْلَكَ من كان قبلكم».حديث ابن عمر -رضي الله عنهما-: متفق عليه. حديث جابر -رضي الله عنه-: رواه مسلم
Tatitra avy tamin'ny Khawla Al-Answariou (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany".Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka Ary aza mifampitsikilo (tia hahalala zava-miafin'ny hafa), ary aza mifampitsikilo (tia hahalala ny kilema miafin'ny hafa), ary aza mifampialona, aza mifampiamboho, ary aza mifankahalala, ary meteza ianareo ho mpanompon’I Allah mpirahalahy.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fanompana ny mpino silamo dia fahalotoam-pitondran_tena, ary ny ady aminy dia fikomina."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : "إذا كنتم ثلاثة فلا يتناجى اثنان دون الآخَر، حتى تختلطوا بالناس؛ من أجل أن ذلك يحُزنه".متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Jereo izay ambany aminareo, ary aza mijery izay ambony aminareo, fa tsara kokoa raha tsy manao tsinontsinona ny fitahian'I Allah aminareo."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أنس بن مالك رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «كلُّ بني آدم خَطَّاءٌ، وخيرُ الخَطَّائِينَ التوابون».رواه الترمذي وابن ماجه والدارمي وأحمد
Tatitra azo avy tamin'i Abi Zarry (R.A) niteny : Niteny tamiko i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao."Notantaraiin'i Moslim