MG
Ny finoana ny anjara sy ny lahatra
Ambaratongan'ny lahatra sy ny anjara
2 hadiths
Ambaratongan'ny lahatra sy ny anjara
2
Resaka lahatra sy anjara
2
2 hadiths
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny : Tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) aho indray andro dia niteny izy manao hoe : " O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra hanasoa anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra izay efa nosoratan'Allah ho azonao; ary raha hitambatra izy ireo mba hanisy ratsy anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanao ratsy anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka ".
Notantarain'i Al-Tirmizì
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.A), Niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : " Nosaratan'i Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona , ka hoy Izy nanao hoe : “ Ary eo ambonin’ny rano ny seza fiandrianany .”
Notantaraiin'i Moslim