Tatitra azo avy tamin'i Abo O mama (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
Available in 59 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo O mama (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."»
Meaning translation ·
Explanation
The meaning in a few plain lines
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamaky ny Ayat Al-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no mampiditra azy any amin'ny Paradisa. izany dia ao amin'ny Sorate Al-Bakarat ilay tenin'I Allah manao hoe: {I Allah, Tsy misy tompo afa tsy Izy irery ihany, Izy no Ilay velona sy mahavita tena. Tsy mba rendremana na matory, Azy izay rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, Tsy misy mpanelanelana Aminy afa tsy izay sitrany, mahafantatra ny eo am-pelatanany sy ny ambadiky ny voary izy, Tsy misy mahafehy ampahany amin’ny fahalalany afa tsy izay sitrany, manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza fiandrianany ary tsy zavatra mavesatra Aminy akory izany, Izy no Avo sy Be voninahitra}. [Al-Bakarat: 255].