Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny :

Available in 61 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny : Nisy tambanivohitra iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'i Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.” Hoy ilay rangahy : “Mianiana amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo an-tanany aho, tsy hanampy hafa ankoatr'izany ve aho. Rehefa lasa izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay tia hijery olon'ny Paradisa, dia aoka izy hijery io lehilahy io”. miaraka Aminy, ary manao ny vavaka kotobah, aloavy ny zakat, ary mifady hanina ny Ramadany.” Hoy izy: “Amin’Ilay eo an-tànan’ny fanahiko, tsy hanao mihoatra noho izany aho.” Izany, rehefa nodimandry izy, ny Mpaminany. , Andriamanitra anie hitahy azy sy hanome azy fiadanana, nanao hoe: “Na iza na iza te hijery lehilahy iray ao amin’ny Paradisa, aoka izy hijery an’ity.”»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nisy lehilahy avy any ambanivohitra nanatona ny Mpaminany (S.A.W) mba hanoro azy amin'ny asa izay hampiditra azy any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fidirana ao amin'ny Paradisa sy ny fahafahana amin'ny Afobe dia miankina amin'ny fanatanterahana ny andrin'ny finoana Islam, amin'ny fanompoana an'I Allah irery ihany ary ny tsy fampiombonana Azy amin'ny hafa. Ary fanatanterahana ny soalat dimy napetrak’Allah izay nandidiany ireo mpanompony andro sy alina. Ary mamoaka ny zakat amin'ny vola nodidin'i Allah aminao, ary omena an'izay mendrika azy. Ary mitandrina ny fifehezana amin'ny volana Ramadany. Dia hoy ralehilahy : “Mianiana amin’ny alàlan’Ilay manana ny fofon'aiko eny an-tànany aho, dia tsy hanampy ny fanompoana intsony aho afa-tsy izay reko taminao”. Rehefa lasa izy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Izay manampanirina hijery ny olon'ny Paradisa dia aoka izy hijery ity tambanivohitra ity.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality