Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 54 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty" Amin'ny fitantaran'i Moslim dia miteny izy hoe : Ny trano nahatsiarovana an'I Allah sy ny trano tsy nahatsiarovana azy, dia tahaka ny velona sy ny maty”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nohazavain’ny Mpaminany (S.A.W) ny maha-samihafa ny mahatsiaro an’I Allah ilay Tsitoha sy ny tsy mahatsiaro Azy, ary toy ny maha-samihafa ny velona sy ny maty izany amin’ny tombotsoany sy ny bika aman’endriny. Ny ohatry ny mahatsiaro ny Tompony dia tahaka ny olona velona izay voaravaka ny fahazavan’ny fiainana ny ivelany, ary ny ao anatiny dia misy ny fahazavan’ny fahalalana, ary ao anatin’izany no misy ny fanoharana momba ny maty izay ny ivelany zava-poana ny endriny, fa zava-poana ny endriny ivelany, ary tsy misy mahasoa azy. Toy izany koa, ny trano iray dia lazaina ho velona raha mahatsiaro an’I Allah ny mponina ao aminy. Raha ny velona sy ny maty no ilazana ny trano dia ny mponina ao an-trano no tiana ho lazaina.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality