Hadith for the World
Fikh ny Douan sy ny Azkar

Tombotsoan'ny fanaovana Zikri

8 hadiths

8 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Jabir Bin Abdillah (R.A), fa izy nandre an'i Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : “Rehefa miditra ny tranony ny olona iray ka manonona ny anaran’Allah eo am-pidirana sy eo am-pihinanana, dia holazain’i Satana hoe : Tsy manana toerana hatoriana ianareo na hisakafoanana ny alina. Fa raha niditra ny trano ka tsy nanonona ny anaran'Allah, dia hoy i Satana : “Afaka matory ato ianaeo mandritry ny alina, ary raha tsy nanonona ny anaran’Allah teo am-pisakafoana izy, dia hoy satana : “Afaka matory ato ianareo ary afaka misakafo hariva”.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عَنْ سَعْدِ بنِ أبي وَقَّاصٍ رَضيَ اللهُ عنه قَالَ: كُنَّا عِنْدَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: «أَيَعْجِزُ أَحَدُكُمْ أَنْ يَكْسِبَ، كُلَّ يَوْمٍ أَلْفَ حَسَنَةٍ؟» فَسَأَلَهُ سَائِلٌ مِنْ جُلَسَائِهِ: كَيْفَ يَكْسِبُ أَحَدُنَا أَلْفَ حَسَنَةٍ؟ قَالَ: «يُسَبِّحُ مِائَةَ تَسْبِيحَةٍ، فَيُكْتَبُ لَهُ أَلْفُ حَسَنَةٍ، أَوْ يُحَطُّ عَنْهُ أَلْفُ خَطِيئَةٍ».رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty" Amin'ny fitantaran'i Moslim dia miteny izy hoe : Ny trano nahatsiarovana an'I Allah sy ny trano tsy nahatsiarovana azy, dia tahaka ny velona sy ny maty”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ka'ab Ibn O'jrata (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy : Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.Notantaraiin'i Moslim
عن زيد مولى رسول الله صلى الله عليه وسلم قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «من قال: أَسْتَغْفِرُ الله الذي لا إله إلا هو الحَيَّ القيَّومَ وأتوب إليه، غُفرت ذنوبه، وإن كان قد فَرَّ من الزَّحْف».رواه أبو داود والترمذي
Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.A) niteny : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : " Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika azy. "Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".Notantarain’i Bokhari sy Moslim