Hadith for the World
Fikh ny Douan sy ny Azkar

Fahalalampomba nataon'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa eo am-panaovana Zikri

5 hadiths

5 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Jabir Bin Abdillah (R.A), fa izy nandre an'i Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : “Rehefa miditra ny tranony ny olona iray ka manonona ny anaran’Allah eo am-pidirana sy eo am-pihinanana, dia holazain’i Satana hoe : Tsy manana toerana hatoriana ianareo na hisakafoanana ny alina. Fa raha niditra ny trano ka tsy nanonona ny anaran'Allah, dia hoy i Satana : “Afaka matory ato ianaeo mandritry ny alina, ary raha tsy nanonona ny anaran’Allah teo am-pisakafoana izy, dia hoy satana : “Afaka matory ato ianareo ary afaka misakafo hariva”.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".متفق عليه، وهذا لفظ مسلم ورواه البخاري مختصرًا
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول: «وَاللهِ إني لأَسْتَغْفِرُ اللهَ وأَتُوبُ إليهِ في اليومِ أَكْثَرَ من سَبْعِينَ مَرَّةً».رواه البخاري
Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina."Notantaraiin'i Moslim