Hadith for the World
Fikh ny Douan sy ny Azkar

Tonombavaka vakina amin'ny maraina sy hariva

4 hadiths

4 hadiths

عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه قال: كان نبي الله صلى الله عليه وسلم إذا أمسى قال: «أمسينا وأمسى الملك لله، والحمد لله، لا إله إلا الله وحده لا شريك له» قال الراوي: أَرَاهُ قال فِيهِنَّ: «له الملك وله الحمد وهو على كل شيء قدير، ربِّ أسألك خير ما في هذه الليلة وخير ما بعدها، وأعوذ بك من شر ما في هذه الليلة وشر ما بعدها، رب أعوذ بك من الكسل، وسُوءِ الكِبَرِ، رب أعوذ بك من عذاب في النار، وعذاب في القبر»، وإذا أصبح قال ذلك أيضا «أصبحنا وأصبح الملك لله».رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Khobaib (R.A), niteny izy : Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".Notantarain’i Bokhari sy Moslim