Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Ka'ab Ibn O'jrata (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Ka'ab Ibn O'jrata (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy : Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nolazain'ny Mpaminany ireo tonombavaka izay tsy hahavery na hanenenana ny miteny izany, fa hahazo valisoa amin'ireo teny ireo, ary ny sasany dia manaraka ny sasany, ary vakina izany aorian'ny Soalat dimy dia : “Sobhànallah - Voninahitra ho an’Allah - in-telo amby telopolo, izany hoe fiderana an'Allah manalavitra ny tsy fahalavorarina sy ny tsy fahampiana. Ary "Alhamdo lillàhi - fisaorana an'Allah - in-telo amby telopolo, izay famaritana an’Allah amin’ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy fanomezam-boninahitra Azy. Ary "Allaho Akbar - Allah no lehibe indrindra - in-efatra amby telopolo, fa lehibe Allah sy Be voninahitra ary Mahery noho ny zavatra rehetra.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality