Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) :

Available in 48 languages
«Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Ny mpaminanin’I Allah (S.A.W) dia niteny tamin’ny fotoan’ny fahasarotana hoe : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah, Ilay Lehibe, Ilay Mahari-po, tsy misy tompo afa-tsy Allah tompon'ilay seza fiandrianana lehibe, tsy misy tompo afa-tsy Allah Tompon’ny lanitra, Tompon’ny tany, Tompon’ny seza fiandrianana ambony”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Hoy ny Mpaminany (S.A.W) rehefa nihamafy ny fahoriany sy ny alahelony : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”, tsy misy ivavahana marina afa-tsy Allah, “Ilay Lehibe”, ilay Tsitoha, ilay be voninahitra, ao Aminy, ny toetrany, ary ny asany, “Ilay Mandefitra”, izay tsy manafaingana ny famaizana amin'ny mpanota, fa kosa manemotra izany, ary mamela azy amin'ny fahefana hanao izany, fa Izy no Mahery, Voninahitra ho Azy, ambonin'ny zavatra rehetra. "Tsy misy tompo afa-tsy Allah, Tompon'ny seza fiandrianana lehibe", Mpamorona ny seza fiandrianana lehibe, "Tsy misy tompo afa-tsy Allah, Tompon'ny lanitra sy ny tany", Mpamorona ny lanitra sy ny tany, Mpamorona ny zava-drehetra ao aminy, sy ny Tompony sy ny Mpanavao azy, ary Ilay mandrindra azy araka izay sitrapony, “Tompon’ny seza fiandrianana mendrika”, Mpamorona ny seza fiandrianana mendrika.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality