Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 70 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana ".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny toerana tena akaiky indrindra an'ireo Mpanompo amin'ny Tompon'izy ireo dia rehefa amin'ny fotoanan'izy ireo miondrika ka miankohoka mivavaka Soalat eo anatrehany Tompo Allah. Izany dia Satria ny Olona mivavaka dia mametraka ny ampahany ambony indrindra amin'ny vatany amin'ny tany amin'ny fanekena sy fanetren-tena ary fanambanian-tena amin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha rehefa miankohoka. Izy (S.A.W), dia nandidy sy namporisika fa tokony hitalao sy hangataka be dia be ary atao imbetsaka mihitsy ny hataka mandritra ny fiankohofana izay hatao amin'ny Soalat, ka izay indrindra no manambatra ny fanetren-tena eo anatrehan'i Tompo Allah amin'ny alalan'ny Teny sy ny Asa.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality