Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masso'di (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 55 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masso'di (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nandidy ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fanaovana ny marina, ary nilaza fa ny fanarahana izany dia mitarika amin'ny asa soa maharitra, ary ny fanaovan-tsoa maharitra dia mitarika ny mpanao azy ho any amin'ny Paradisa, ary tsy mitsahatra eo aminy ny fanaovana ny marina na ampahibemaso na miafina, ary mendrika hahazo ny anarana hoe: mpilaza ny marina, ny olona tena mpiteny ny marina hatrany no afaka antsoina amin'izany anarana izany. Avy eo dia nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny lainga sy ny fitenenana lainga. Satria izany dia manosika ny olona hiala amin’ny fahitsiana sy fanaovana ratsy sy fanimbana ary ny fahotana, avy eo dia mitarika azy ho any amin’ny afobe izany, ary tsy mitsahatra izy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho isan'ireo mpandainga eo anatrehan’Allah.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality