Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe :

Available in 55 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe : “Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W) ka hitan'ny olona izy dia nitodika haingana tany aminy izy ireo, ary isan'ireo olona nitodika tany aminy i Abdollah bin Salam (R.A), izay mbola Jiosy rehefa nahita azy dia fantany fa tsy tavan’ny mpandainga ny tavany, noho ny fahazavana sy ny hatsaran-tarehy ary ny bikabika marina. Ny zavatra voalohany henony tamin'ny Mpaminany, dia ny nampirisika ny olona hanao asa izay hitondra any amin'ny paradisa, anisan'izany : Voalohany : Aparitaho ny fiarahaban’ny finoana, sy fanehoana azy ary fanaovana azy im-betsaka amin’izay fantatra sy tsy fantatra. Faharoa : Mampisakafo amin'ny alalan'ny fanampiana sy fanomezana ary fanasana. Fahatelo : Ny fampitohizana fihavanana, amin'ireo izay misy fitohizam-pihavanana aminao, na avy amin'ny ray izany na avy amin'ny reny. Fahefatra : vavaka an-tsitrapo mandritra ny alina rehefa matory ny olona.

Source
Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Download image

Saved at original quality