Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Àbbàs (R.A) niteny manao hoe :

Available in 56 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Ibn Àbbàs (R.A) niteny manao hoe : Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril, ary nihaona taminy isaky ny alin'ny Ramadany ka nampianatra azy ny Kor'any, fa ny irak'Allah (S.A.W) mizara fahasoavana kokoa noho ny rivotra mitsoka.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Ny Mpaminany (S.A.W) no nalala-tànana indrindra, ary tena nataony im-betsaka izany tamin'ny volana Ramadany, satria nanome izay tokony omeny tamin'izay tokony hahazo azy, ary ny antony mahatonga fahalalahan-tànany miampy betsaka dia noho ny antony roa : Ny voalohany : ny fihaonany amin’i Jibril (A.S). Ny faharoa hafa : ny fianarana ny Kor'any, dia ny famakina azy am-po. Ampianarin'i Jibril (A.S) azy daholo izay rehetra nidina ao amin'ny Kor'any, ary ny Mpaminany (S.A.W) no malala-tànana kokoa sy be fanomezana ary mpanao soa indrindra, ary haingana kokoa ny irak'Allah manasoa ny zavaboary mihoatry ny rivotra tsara izay alefan’Allah miaraka amin’ny ranonorana sy ny famindram-po.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality