Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah niteny hoe :

Available in 48 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah niteny hoe : “Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tompo Allah ô! Ianao no Mpamadibadika ny fo, ka apetraho eo amin'ny fankatoavana anao ny fonay".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nampahafantatra fa ny fon’ny zanak’i Adama rehetra dia eo anelanelan’ny rantsantanan’Ilay Mpamindra fo ary toy ny fo iray. Ataony amin’izay tiany anaovana azy; Raha sitrany dia apetrany amin’ny fahamarinana izany, ary raha sitrany, dia ataony hiala amin’ny fahamarinana, ary ny famadiany azy ao amin’ny fo rehetra dia tahaka ny fitondran-tenan’ny olona iray, ary Allah Tsitoha tsy mibahana azy amin’ny raharaha iray aorian’izany. Avy eo dia nanao Douan i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Allah ô, Ianao no Mpamadibadika ny fo indraindray mankany amin'ny fankatoavana ary indraindray any amin'ny fahotana, indraindray amin’ny fahatsiarovana ary indraindray amin’ny tsy fitandremana. Ka atsatohy ao anaty fankatovana anao ny fonay.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality