Ny Fikh sy ny fitspiny
Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :
Available in 47 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe : “Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.” Dia talanjona i Abo Sa’id ka niteny manao hoe : Avereno amiko ry irak’Allah, dia naveriny, avy eo izy niteny hoe : “Ary ny iray hafa izay hampiakarana ny haavon’ny mpanompo ao amin’ny Paradisa ho zato avo heny, ary isaky ny haavony dia mitovy ny elanelan’ny lanitra sy ny tany .” Hoy i Said hoe : Inona izany ry irak’Allah? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Jihad ho an'I Allah, jiady ho an'I Allah."»Meaning translation ·
Saved at original quality








