MG
Ireo anarana sy ny fitspika
Ny Islam
3 hadiths
Ny Islam
3
Ireo zavatra manafoana ny finoana Islam
1
Resaka tsy fahalalana
1
Ny fitomboan'ny finoana sy fihenany
5
Olon’ny finoana
3
Ny tsy finoana
2
Ny fanompoan-tsampy
4
Ny fihatsarambelatsihy
1
fitondran-tena maloto
1
Ny forona
2
3 hadiths
Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny hoe : Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.A.W) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.
Notantaraiin'i Moslim