Hadith for the World
Ny foto-pinoana

Ireo anarana sy ny fitspika

22 hadiths

22 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Abou Mousa Al-Ash'ari (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Afaingano amin'ny asa soa ny fitsapana tahaka ny ampahan’ny alina maizina. Ho mpino ny olona amin’ny maraina ka hivadika tsy mpino kosa amin'ny hariva, na ho mpino izy amin’ny hariva nefa lasa tsy mpino koa amin'ny maraina, mivarotra ny finoany amin’ny fahafinaretana eto an-tany".Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه مرفوعاً: «الإيمانُ بِضْعٌ وَسَبْعُونَ أو بِضْعٌ وسِتُّونَ شُعْبَةً: فَأَفْضَلُهَا قَوْلُ: لا إله إلا الله، وَأَدْنَاهَا إِمَاطَةُ الأَذَى عَنِ الطَّرِيقِ، وَالحَيَاءُ شُعْبَةٌ مِنَ الإِيمَانِ».متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".Notantarain'i Ahmad
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany, ary izay miantso amin'ny fahaverezana dia hahazo fahotana tahaka ny fahotana ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny fahotany".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".Notantarain'i Ahmad
عن عبد الله بن عمرو بن العاص - رضي الله عنه- مرفوعاً: "مَن ردته الطِّيَرَة عن حاجته فقد أشرك، قالوا: فما كفارة ذلك؟ قال: أن تقول: اللهم لا خير إلا خيرك، ولا طَيْرَ إِلَّا طَيْرُكَ ولا إله غيرك".رواه أحمد
Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'ireo vadin'ny Mpaminany (S.A.W) sasany, niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny Imany na ny finoana dia manana sampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana ary ny fananana ny henatra dia anisan'ny finoana".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Boraida (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mianiana ho toky dia tsy namantsika.”Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
Tatitra azo avy amin'i Abdillahi bin A'mro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : " Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana ".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.A) niteny : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : " Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika azy. "Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny hoe : Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.A.W) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : "Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat."Notantaraiin'i Moslim
عَنْ أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: "ثَلاَثٌ مَنْ كُنَّ فِيهِ وَجَدَ حَلاَوَةَ الإِيمَانِ: أَنْ يَكُونَ اللَّهُ وَرَسُولُهُ أَحَبَّ إِلَيْهِ مِمَّا سِوَاهُمَا، وَأَنْ يُحِبَّ المَرْءَ لاَ يُحِبُّهُ إِلَّا لِلَّهِ، وَأَنْ يَكْرَهَ أَنْ يَعُودَ فِي الكُفْرِ كَمَا يَكْرَهُ أَنْ يُقْذَفَ فِي النَّارِ".متفق عليه
Tatitra avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy"Notantaraiin'i Moslim
عن جابر بن عبد الله قال: كان رسول الله صلى الله عليه وسلم إذا خطب احمرَّتْ عيناه، وعلا صوته، واشتد غضبه، حتى كأنه مُنذِرُ جيشٍ يقول: صبَّحكم ومسَّاكم، ويقول: «بُعثتُ أنا والساعةُ كهاتين»، ويقرن بين إصبعيه السبابة، والوسطى، ويقول: «أما بعد، فإن خير الحديث كتاب الله، وخير الهدى هدى محمد، وشر الأمور محدثاتها، وكل بدعة ضلالة» ثم يقول: «أنا أولى بكل مؤمن من نفسه، من ترك مالًا فلأهله، ومن ترك دينًا أو ضَياعًا فإليَّ وعليَّ».رواه مسلم