231 hadiths
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'i Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (Moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".Notantarain’i Bokhari sy Moslim