231 hadiths
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe : “Ry olombelona, mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad