Hadith for the World
Topic

Ny foto-pinoana

135 hadiths

135 hadiths

عن أبي هريرة رضي الله عنه مرفوعًا: «إِنَّ الله تَعَالى يَقُول يَوْمَ القِيَامَة: أَيْنَ المُتَحَابُّونَ بِجَلاَلِي؟ اليَوم أُظِلُّهُم فِي ظِلِّي يَوْمَ لاَ ظِلَّ إِلاَّ ظِلِّي».رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany, ary izay miantso amin'ny fahaverezana dia hahazo fahotana tahaka ny fahotana ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny fahotany".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".Notantarain'i Ahmad
Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny : “ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy ".Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny hoe : Nisy niteny sy nilaza hoe : O ry irak'Allah, iza tokoa no ho sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana izay mbola hataonao amin'ny Andro farany Andro ny fitsanganana amin'ny maty ? dia Hoy ilay irak' Allah namaly ka nanao hoe : “ Nihevitra Aho, ry Abou Houraira, fa tsy hisy Olona hanontany Ahy mihintsy ny momba an'io Hadith io talohanao, ka noho ianao hitako mifikitra mafy amin'io Hadith io, ka Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny".Notantarain’i Bokhari
عن عبد الله بن عمرو بن العاص - رضي الله عنه- مرفوعاً: "مَن ردته الطِّيَرَة عن حاجته فقد أشرك، قالوا: فما كفارة ذلك؟ قال: أن تقول: اللهم لا خير إلا خيرك، ولا طَيْرَ إِلَّا طَيْرُكَ ولا إله غيرك".رواه أحمد
Tatitra azo avy amin'i Obada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’Allah sy Irany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه مرفوعًا: «صلاة الرجل في جماعة تَضعُفُ على صلاته في بيته وفِي سُوقِه خمسا وعشرين ضِعفًا، وذلك: أَنَّه إِذَا تَوَضَّأ، فَأَحسَن الوُضُوء، ثمَّ خرج إلى المسجد لاَ يُخرِجُهُ إلاَّ الصلاة؛ لَم يَخْطُ خُطوَةً إِلاَّ رُفِعَت له بِها درجة، وَحُطَّ عَنهُ بها خطيئة، فإذا صلَّى لم تزل الملائكة تُصَلِّي عليه، ما دام في مُصَلاَّه: اللهُمَّ صَلِّ عليه، اللهم اغفِر له، اللهم ارْحَمه، ولا يزال في صلاة ما انتظر الصلاة».متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Jabir bin Abdillah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nomena zavatra dimy izay tsy mbola nomena an’iza na iza talohako aho : Mihorohoro amiko ao anelanelan'ny dia mandritra ny iray volana ny fahavaloko, natao ho toeram-pivavahana sy fanadiovana ho ahy ny tany, ka na aiza na aiza ny olona iray amin'ny vahoakako tratry ny oran'ny fivavahana dia aoka hivavaka avy hatrany, ary tsy voarara amiko ny zavatra azo babo, saingy voarara tamin’ny olona talohako izany, ary nomena ny fanelanelanana aho, ary ny Mpaminany rehetra dia nirahina manokana tamin’ny vahoakany, fa izaho kosa dia nirahina ho any amin'ny olombelona rehetra».Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن معاذ بن جبل رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم أنه قال: «قَالَ اللهُ -عَزَّ وجَلَّ-: المُتَحَابُّون فِي جَلاَلِي، لَهُم مَنَابِرُ مِن نُورٍ يَغْبِطُهُم النَبِيُّونَ والشُهَدَاء».رواه الترمذي وأحمد
عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال: «إنَّ في الجنَّة مائةَ دَرَجَة أعَدَّهَا الله للمُجاهِدين في سَبِيل الله ما بَيْنَ الدَّرَجَتَيْنِ كما بين السماء والأرض».رواه البخاري
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, izay nanamboarana an'i Adama, ary nampidirana azy tao amin'ny Paradisa, ary namoahana azy tao, ary tsy ho tonga ny andro farany raha tsy amin'ny andro zoma".Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال: «كان داود -عليه السلام- لا يأكلُ إلا من عمل يده». وعن المقدام بن معد يكرب رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال: «ما أكل أحد طعاما قط خيرا من أن يأكل من عمل يده، وإن نبي الله داود صلى الله عليه وسلم كان يأكل من عمل يده».حديث أبي هريرة رضي الله عنه: رواه البخاري. حديث المقداد رضي الله عنه: رواه البخاري
عن ابن مسعود رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «من أصابته فَاقَة فأنْزَلها بالناس لم تُسَدَّ فَاقَتُهُ، ومن أنْزَلها بالله، فَيُوشِكُ الله له بِرزق عاجل أو آجل».رواه أبو داود والترمذي وأحمد
Tatitra azo avy amin'i Abo Huoraira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Niteny Ibn 'Abbaasy (R.A), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) dia nilaza ka nanao hoe : Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.رواه ابن ماجه والبيهقي وغيرهما
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول: «جَعَلَ اللهُ الرحمةَ مائة جُزْءٍ، فَأَمْسَكَ عِنْدَهُ تِسْعَةً وَتِسْعِينَ، وأَنْزَلَ في الأَرْضِ جُزْءًا وَاحِدًا، فَمِنْ ذَلِكَ الجُزْءِ يَتَرَاحَمُ الخَلَائِقُ، حتى تَرْفَعَ الدَّابَّةُ حَافِرَهَا عَنْ وَلَدِهَا خَشْيَةَ أَنْ تُصِيبَهُ». وفي رواية «إِنَّ للهِ تعالى مئةُ رحمةٍ، أَنْزَلَ منها رحمةً واحدةً بَيْنَ الجِنِّ والإنسِ والبَهَائِمِ والهَوَامِّ، فَبِهَا يَتَعَاطَفُونَ، وبها يَتَرَاحَمُونَ، وبِهَا تَعْطِفُ الوَحْشُ على وَلَدِهَا، وأَخَّرَ اللهُ تعالى تِسْعًا وتِسْعِينَ رحمةً يَرْحَمُ بِهَا عِبَادَهُ يومَ القِيَامَةِ». وعن سلمان الفارسي رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «إِنَّ للهِ تعالى مئةُ رحمةٍ فمنها رحمةٌ يَتَرَاحَمُ بها الخَلْقُ بَيْنَهُمْ، وتِسْعٌ وتِسْعُونَ لِيَومِ القِيَامَةِ». وفي رواية: «إِنَّ اللهَ تَعَالَى خَلَقَ يَوْمَ خَلَقَ السَّمَاوَاتِ والأَرْضَ مئةَ رحمةٍ كُلُّ رحمةٍ طِبَاقَ مَا بَيْنَ السَّمَاءِ إلى الأَرْضِ، فَجَعَلَ منها في الأَرْضِ رَحْمَةً فبها تَعْطِفُ الوَالِدَةُ على وَلَدِهَا، والوَحْشُ والطَّيْرُ بَعْضُهَا عَلَى بَعْضٍ، فإذا كانَ يومُ القيامةِ أَكْمَلَهَا بِهَذِه الرحمةِ».حديث أبي هريرة -رضي الله عنه-: متفق عليه. حديث سلمان -رضي الله عنه-: رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou zarri (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny : Tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) aho indray andro dia niteny izy manao hoe : " O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra hanasoa anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra izay efa nosoratan'Allah ho azonao; ary raha hitambatra izy ireo mba hanisy ratsy anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanao ratsy anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka ".Notantarain'i Al-Tirmizì
عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضيَ اللهُ عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَ: «أَحَبُّ الْبِلَادِ إِلَى اللهِ مَسَاجِدُهَا، وَأَبْغَضُ الْبِلَادِ إِلَى اللهِ أَسْوَاقُهَا».رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".Notantarain’i Bokhari