Hadith for the World

All hadiths

The complete card collection, filter by chapter

655 hadiths

عن أنس بن مالك رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «للَّهُ أَفْرَحُ بِتَوْبَةِ عَبْدِهِ مِنْ أَحَدِكُمْ، سَقَطَ عَلَى بَعِيرِهِ، وَقَدْ أَضَلَّهُ فِي أَرْضِ فَلاَةٍ». وفي رواية: «لَلَّهُ أَشَدُّ فَرَحًا بِتَوْبَةِ عَبْدِهِ حِينَ يَتُوبُ إِلَيْهِ، مِنْ أَحَدِكُمْ كَانَ عَلَى رَاحِلَتِهِ بِأَرْضِ فَلَاةٍ، فَانْفَلَتَتْ مِنْهُ وَعَلَيْهَا طَعَامُهُ وَشَرَابُهُ، فَأَيِسَ مِنْهَا، فَأَتَى شَجَرَةً، فَاضْطَجَعَ فِي ظِلِّهَا، وقَدْ أَيِسَ مِنْ رَاحِلَتِهِ، فَبَيْنَا هُوَ كَذَلِكَ إِذَا هُوَ بِهَا، قَائِمَةً عِنْدَهُ، فَأَخَذَ بِخِطَامِهَا، ثُمَّ قَالَ مِنْ شِدَّةِ الْفَرَحِ: اللهُمَّ أَنْتَ عَبْدِي وَأَنَا رَبُّكَ! أَخْطَأَ مِنْ شِدَّةِ الْفَرَح».متفق عليه والرواية الأولى لفظ البخاري، والرواية الثانية لفظ مسلم
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa Al-Ashari (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Sahl bin Sa'ad (R.A), Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Zaid Ibn Thabit (R.A) niteny : Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nitsangana nivavaka izy avy eo, dia niteny aho hoe : Hafiriana no teo anelanelan'ny Azan sy ny sakafo maraina (Sohor)? Dia hoy izy namaly : Andininy masina dimampolo eo ho eo.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ny mpino silamo ary vadin'ny Mpaminany (S.A.W) : Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana"Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُما قَالَ: كَانَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي سَفَرٍ، فَرَأَى زِحَامًا وَرَجُلًا قَدْ ظُلِّلَ عَلَيْهِ، فَقَالَ: «مَا هَذَا؟»، فَقَالُوا: صَائِمٌ، فَقَالَ: «لَيْسَ مِنَ البِرِّ الصَّوْمُ فِي السَّفَرِ»، وَفِي لَفْظٍ لِمُسلِمٍ: «عَلَيْكُمْ بِرُخْصَةِ اللهِ الَّذِي رَخَّصَ لَكُمْ».متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe : “Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن عائشة وأم سلمة رضي الله عنهما «أن رسول الله صلى الله عليه وسلم كان يُدْرِكُهُ الفجر وهو جُنٌبٌ من أهله، ثم يغتسل ويصوم ».متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny manao hoe : Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن عمر بن الخطاب رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «إذا أقبل الليل من هَهُنا، وأَدْبَرَالنهار من ههنا، فقد أفطر الصائم».متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny izy : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khattab (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny Olona iray. Koa na iza na iza nano fifindra-monina mankany amin'i Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy hovadiny, dia noho izany tokona no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina nataony”. Ary amin'ny fanambarana nataon'i Al-Bokhari : " Ny Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Al-Haora Al-Saadi nilaza hoe : Hoy aho tamin'i Hasan bin Ali (R.A) : “Inona no mba tadidinao avy tamin’ny irak’Allah (S.A.W)? namaly izy hoe : Ny zavatra tadidiko avy tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) dia ny hoe : "Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana."رواه الترمذي والنسائي وأحمد
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'i Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (Moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A) niteny izy : nandray ny soroko ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny" Ary i Ibn Omar dia niteny hoe : Raha mahatratra ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary raha mahatratra ny maraina dia aza miandry ny hariva, ary araraoty amin'ny fahasalamanao ny aretinao, ary araraoty ny fahavelomanao ho amin'ny fahafatesanao.Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy. Ny mpino silamo dia rahalahin'ny mpino silamo namany; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'I Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo. Ny rehetra mikasika ny mpino silamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino silamo kasikasihina : ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.A.W) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.Notantarain’i Bokhari