TopicNy Fikh sy ny fitspiny
288 hadiths
288 hadiths
Tatitra azo avy tamin'i Jabir Ibn Abdillahi (R.A), niteny : I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran ka niteny manao hoe : “Raha misy iray aminareo miahiahy momba ny zavatra iray, dia aoka izy hanao rakaat roa ankoatry ny vavaka tsy maintsy atao, dia miteny avy eo hoe : Allah ô, mangataka fitarihana Aminao amin’ny fahalalanao aho ary mitady fiarovana Aminao amin’ny alàlan’ny herinao, ary mangataka Aminao ny amin’ny fahasoavanao lehibe aho, satria Ianao mahefa fa izaho kosa tsy mahefa, ary Ianao no mahalala fa izaho dia tsy mahafantatra, ary Ianao no mahalala ny tsy hita maso rehetra, Allah ô, raha fantatrao fa mahasoa ahy ity zavatra ity amin’ny fivavahako sy ny fivelomako ary ny fiafaran’ny raharahako", na koa izy hiteny hoe : “Ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia ataovy ho ahy izy io ary ataovy mora amiko izany, dia tahio aho. Ary raha fantatrao fa ratsy amiko izany raharaha izany eo amin’ny fivavahako, ny fivelomako, ary ny fiafaran’ny raharahako”, na koa izy hiteny hoe : “amin’ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia esory amiko izany”. Ary avilio hiala amin’izany aho, ary tendreo ho ahy izay tsara na aiza na aiza misy azy, dia hoy Izy : “Ary nanonina ny anaran'ilay zavatra ilainy".Notantarain’i Bokhari