64 hadiths
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany. Izay manamora raharaha amin'ny olona sahirana, dia hamorain' I Allah ny raharahany eto an-tany sy any ankoatra. Izay manafina ny henatry ny mpino silamo iray, dia hafenin' I Allah ny henatrany, eto an-tany sy any ankoatra. Allah dia manampy hatrany ny mpanompo raha manampy ny rahalahiny izy. Izay mizotra amin'ny làlan'ny fianarana mba hikatsaka fahalalana dia hamorain'i I Allah ho azy ny làlana mitondra any amin'ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory ao anatin'ny trano iray amin'ireo tranon' I Allah, mamaky ny Bokin' I Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra azy ireo ny indrafo, manodidina azy ireo ny Anjely, ary miresaka azy ireo Allah, amin'ireo (Anjely) any Aminy. Izay latsaka afara noho ny asany, dia tsy aroso aloha noho ny firazanany.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA) Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe : “Ry olombelona, mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad