Hadith for the World

All hadiths

The complete card collection, filter by chapter

655 hadiths

عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه مرفوعاً: «يُؤْتَى بجهنم يومئذ لها سبعون ألف زِمَامٍ مع كل زمام سبعون ألف ملك يَجُرُّونَهَا».رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “ Ny Olona tena tsy Tian’i Allah indrindra dia ny olona tsy resy ambava ”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
عن أبي سعيد الخدري رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : "الْبَاقِيَاتُ الصَّالِحَاتُ، لَا إلَهَ إلَّا اللَّهُ، وَسُبْحَانَ اللَّهِ، وَاَللَّهُ أَكْبَرُ، وَالْحَمْدُ لِلَّهِ، وَلَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إلَّا بِاَللَّهِ".رواه ابن حبان والحاكم، أما النسائي فرواه في الكبرى لكن من حديث أبي هريرة
Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy lavina ny Doan eo anelanelan'ny Azan sy ny iqamah."Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako, ary atsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny fivelomako, ary atsarao ho ahy ny ankoatra misy ny fieverenako, ary ataovy ny fivelomana ho feno hatsarana rehera, ary ny fahafatesana no fialan-tsasatra amin'ny ratsy rehetra".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) fa i Mpaminany (S.A.W) dia nangataka ity Doan ity : “Ry Tompoko, mamelà ny heloko, ny tsy fahalalako, ary ny fihoaram-pefy amin’ny raharahako rehetra, ary ianao no mahafantatra tsara noho izaho. Allah ô, mamelà ny heloko, izay fananiana nataoko, ny tsy fantatro sy ny esoeso ary izany rehetra izany. Allah oo, mamelà ahy amin’izay narosoko sy nahemotra, ary izay nafeniko ary izay nambarako, dia Ianao no mampandroso ary ianao no manemotra, ary ianao no manana fahefana amin’ny zavatra rehetra.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A) niteny : Isan'ireo Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amrio Ibn Al-Assi (R.A) niteny fa i Mpaminany (S.A.W) dia mangataka Doan amin'ireto teny ireto : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
عن عبد الله بن عمر رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال: «المؤمن الذي يخالط الناس، ويصبر على أذاهم خير من الذي لا يخالط الناس ولا يصبر على أذاهم».رواه الترمذي وابن ماجه وأحمد
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Irak'Allah (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’i Allah fa aza manaiky resy, ary raha misy zavatra manjo anao, dia aza miteny hoe : "Raha mba nanao izao sy izao aho". Fa lazao hoe : “Lahatr’i Allah ary izay sitrapony no ataony.” Eny tokoa fa ny teny “raha” dia manokatra ny asan’i Satana".Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال: «الْمُؤْمِنُ مِرْآةُ أَخِيهِ الْمُؤْمِنِ».رواه أبو داود والترمذي
Tatitra azo avy amin'i Abo Darda' (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny mpanozona dia tsy ho vavolombelona na mpanelanelana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i No’màny ibn Bashìr (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana”, ary namaky Izy nanao hoe : “ Ary hoy ny Tomponareo nanao hoe : ‘Antsoy Aho, fa dia hovaliako Ianareo, eny, ireo izay manao tsinontsinona ny fanompoana Ahy dia hiditra amin’ny helo amin’ny henatra.’” [Ghafir: 60].Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
عَنْ عِيَاضِ بْنِ حِمَارٍ أَخِي بَنِي مُجَاشِعٍ رَضيَ اللهُ عنه قَالَ: قَامَ فِينَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ ذَاتَ يَوْمٍ خَطِيبًا، فَقَالَ: وَسَاقَ الْحَدِيثَ وَفِيهِ: «وَإِنَّ اللهَ أَوْحَى إِلَيَّ أَنْ تَوَاضَعُوا حَتَّى لَا يَفْخَرَ أَحَدٌ عَلَى أَحَدٍ، وَلَا يَبْغِي أَحَدٌ عَلَى أَحَدٍ».رواه مسلم
Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny manao hoe : Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masso'di (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Teny roa maivana amin’ny lela, nefany tena mavesa-danja eo amin’ny mizana (vato-fandajana), ary tian’Ilay Be famindrampo: (Sobohànalloàhy wa Bihamdihÿ Sobohànalloahil- Andhìmo) Voninahitra anie ho an’i Tompo Allah Lehibe, Voninahitra ho an’i Tompo Allah ary ho Azy ny Dera ”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan.Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah ."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Bou Darda'i (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad