Hadith for the World
Topic

Ny Fikh sy ny fitspiny

288 hadiths

288 hadiths

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe : “Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.” Dia talanjona i Abo Sa’id ka niteny manao hoe : Avereno amiko ry irak’Allah, dia naveriny, avy eo izy niteny hoe : “Ary ny iray hafa izay hampiakarana ny haavon’ny mpanompo ao amin’ny Paradisa ho zato avo heny, ary isaky ny haavony dia mitovy ny elanelan’ny lanitra sy ny tany .” Hoy i Said hoe : Inona izany ry irak’Allah? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Jihad ho an'I Allah, jiady ho an'I Allah."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Qatada (R.A) fa nitady mpitrosa taminy izy, dia niafina taminy ilay olona, dia avy eo nahita azy, ka niteny izy hoe : Sahirana aho, ka hoy izy : Mianiana amin'I Allah ianao? Dia namaly izy hoe : Mianiana amin'I Allah aho? Dia hoy izy : Nandre ny irak'Allah (S.A.W) aho niteny manao hoe : "Izay manantena ny hamonjen'I Allah azy amin'ny fahoriana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia aoka izy hanome fanamaivanana ho an'izay sahirana na hamela azy."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Huorairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
وعن سالم بن عبد الله بن عمر بن الخطاب رضي الله عنهم عن أبيه: أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال: « نِعْمَ الرَّجُلُ عبد الله، لو كان يُصلِّي من الليل» قال سالم: فكان عبد الله بعد ذلك لا يَنامُ من الليل إلا قليلًا.متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Abo Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Sahl bin Sa'ad (R.A), Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Zaid Ibn Thabit (R.A) niteny : Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nitsangana nivavaka izy avy eo, dia niteny aho hoe : Hafiriana no teo anelanelan'ny Azan sy ny sakafo maraina (Sohor)? Dia hoy izy namaly : Andininy masina dimampolo eo ho eo.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ny mpino silamo ary vadin'ny Mpaminany (S.A.W) : Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana"Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُما قَالَ: كَانَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي سَفَرٍ، فَرَأَى زِحَامًا وَرَجُلًا قَدْ ظُلِّلَ عَلَيْهِ، فَقَالَ: «مَا هَذَا؟»، فَقَالُوا: صَائِمٌ، فَقَالَ: «لَيْسَ مِنَ البِرِّ الصَّوْمُ فِي السَّفَرِ»، وَفِي لَفْظٍ لِمُسلِمٍ: «عَلَيْكُمْ بِرُخْصَةِ اللهِ الَّذِي رَخَّصَ لَكُمْ».متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe : “Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن عائشة وأم سلمة رضي الله عنهما «أن رسول الله صلى الله عليه وسلم كان يُدْرِكُهُ الفجر وهو جُنٌبٌ من أهله، ثم يغتسل ويصوم ».متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny manao hoe : Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن عمر بن الخطاب رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «إذا أقبل الليل من هَهُنا، وأَدْبَرَالنهار من ههنا، فقد أفطر الصائم».متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny izy : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Al-Haora Al-Saadi nilaza hoe : Hoy aho tamin'i Hasan bin Ali (R.A) : “Inona no mba tadidinao avy tamin’ny irak’Allah (S.A.W)? namaly izy hoe : Ny zavatra tadidiko avy tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) dia ny hoe : "Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana."رواه الترمذي والنسائي وأحمد
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'i Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (Moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول: «ما نهيتكم عنه فاجتنبوه، وما أمرتكم به فأْتُوا منه ما استطعتم، فإنما أَهلَكَ الذين من قبلكم كثرةُ مسائلهم واختلافهم على أنبيائهم».متفق عليه
عن أبي ذر رضي الله عنه قال: قال النبي صلى الله عليه وسلم :«عُرِضَتْ عَلَيَّ أعمالُ أُمتي، حَسَنُهَا وسَيِّئُهَا فَوَجَدتُ في مَحَاسِنِ أَعْمَالِهَا الأَذَى يُمَاطُ عَنِ الطَّرِيقِ، ووَجَدتُ في مَسَاوِئِ أَعْمَالِهَا النُّخَاعَةُ تَكُونُ في المَسْجِدِ لا تُدْفَنُ».رواه مسلم